Toy ny fanao isan-taona, dia notontosaina androany 19 desambra 2025, ny fety fifampiarahabana sy firariantsoa niarahan’ny mpiara-miasa rehetra teto amin’ny CIDST, izay notarihan-dRamatoa Tale, Dr NALY Cindy Vermeille.
- Tao anatin’izany ny fiarahabana sy fisaorana an-dRamatoa Tale tamin’ny nahavitana ny taom-piasana 2025; ny fiarahabana ireo mpiara-miasa tera-bao sy andeha hisotro ronono, ny fizarana “panier garnie” sy solom-pen’akoho ho an’ny mpiasa rehetra, mba ho fanamafisana ny fihavanana sy fizarana hafaliana ho an’ny isan-tokantrano amin’izao fety izao.
- Ny Tale sy ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny CIDST dia mirary Krismasy feno fifaliana sy taona vaovao feno fahombiazana ho antsika rehetra.