Tontosa soamantsara androany 13 octobre 2024 teto amin'ny Cidst Tsimbazaza ny famaranana ny Science Hack Day andiany faha-10.
Miisa 32 ireo mpandray anjara tamin'izany.
Nizara vondrona 9 izy ireo ary nomena 15mn avy nanehoany sy nanazavany ny tetik'asany teo anatrehan'ny mpitsara.
Taorian'ny fanakambanana ny antotan'isa avy amin'ny mpitsara dia ny tetik'asa mitondra ny anarana "Récupération des eaux et production d'énergie électrique à partir de l'urine" no nahazo ny laharana voalohany, ny tetik'asa "Canne intelligente pour aveugles" kosa no nahazo ny laharana faharoa, ary ny tetik'asa "Développement de nouvelles sources d'eau" no nahazo ny laharana fahatelo.
Tolorana ny fisaorana sy fankasitrahana manokana:
ireo mpitsara
ireo mpandray anjara rehetra
ireo "coachs"
ianareo mpanohana sy mpiara-miombon'antoka rehetra: Telma Madagascar, Nic-MG , Université Polytechnique d'Avaradrano MASCA, @UPNNC Seecaline Madagascar, @ONG HABAKA, RTA officiel, @Radio Université Ambohitsaina, @Réseau CATI Madagascar, ESP BIG , Kajy-U , Institut National Supérieur d'Informatique INSI
ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa MESUPRES.
Ny Tale sy ny mpiara-miasa rehetra eto amin'ny CIDST dia misaotra sy mankasitraka ireo rehetra nandray anjara ka nahatontosana izao hetsika izao.