Fambolen-kazo 2⃣0⃣2⃣5⃣ Mesupres-CIDST

“Adidy ho an’ny taranaka sy hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fambolen-kazo”, hoy ny Pr CHAMINAH Loulla, Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Nandray anjara mavitrika tamin’ny fambolen-kazo izay niarahan’ny fianakaviamben’ny MESUPRES ny ekipan’ny CIDST, notarihan-dRamatoa Tale, Dr NALY Cindy Vermeille.
Izany dia notontosaina androany 14 febroary 2025 tao amin’ny Fokontany Ampangabe, Kaominina ambanivohitra Ambalavao.
Zanakazo miisa 6 000 fototra no novolena tamin’ny velaran-tany 4ha, ary karazana hazo 13 isa no nofantenana tamin’izany.
“Ny Ala, antoky ny Rano sy ny Angovo”