Tontosa androany 26 septambra 2024, tao Ambohitsilaozana ny fampiofanana mahakasika ny "Ressources Documentaires Numériques (RDN)" nokarakarain'ny CIDST niarahana tamin'ny "Institut Supérieur des Technologies Régional Alaotra Mangoro (ISTRALMA)".
Mpianatra miisa 393 avy amin'ny sampam-piofanana Droit, Économie, Gestion, Agronomie ( niveau Licence sy Master) tao amin'ny ISTRALMA no nanatrika ny fiofanana.
Niara-nisalahy tamin'ny fanatontosana izao hetsika izao ny ekipan'ny CIDST, ary nanontrona sy nanome voninahitra izany fotoana izany ny Talen'ny ISTRALMA, Dr ANDRIAMPARANOKASAINA Tahirisoa.