Institut Supérieur de Technologie Ambositra: nandray ny fanentanana mahakasika ny Fandrindram-piterahana.
Ao anatin'ny fanatanterahana hatrany ny programan'asan'ny Filoham-mpirenena sy ny vininan'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESupReS) izay vitaina ao anatin'ny 100 andro, dia nisitraka ny fanentanana momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ihany koa ny "Institut Supérieur de Technologie" Ambositra.
Tsara ho marihina hatrany fa ny tanjon'izao hetsika izao dia ny hanentanana sy hampianarana ireo tanora mpianatra mahakasika ny fandrindram-piterahana mba ahafahany mandray an-tanana ny ho aviny, mba tsy hisedra olana toy ny vohoka tsy niriana eo am-pamitana ny fianarany fa mba ahavita izany hatramin'ny farany.
Ny fanentanana dia notontosaina tao amin'ny "Grand Conaco" an'ny IST-Ambositra, ary nahatratra 591 ireo mpianatra tonga nanatrika izany. Mitarika izao hetsika izao hatrany ny ekipan'ny CIDST, tarihan-dRamatoa Tale NALY Cindy Vermeille miaraka amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana ao amin'ny sampana rezionaly Ambositra.
Tsiahivina hatrany fa Ny CIDST dia ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian'ny MESupReS izay tarihan'Andriamatoa Minisitra Dr RAZAFIHARISON Andriamanantena.