08 martsa
Ambohi-pihaonan’ireo vehivavy manerana ny Faritra 24 eto Madagasikara ny teto Antananarivo.
- Diabe nihodidina ny farihin’Anosy niainga teny Antanimbarinandriana ary nifarana teo amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy, no nankalazana ny andro Iraisampirenena ho an’ny Zon’ny vehivavy ny 8 martsa 2026. Nitarika izany Ramatoa RANDRIANIRINA Elisa vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara izay reny mpiahy ny hetsika.
- Niara-nientana sy nandray anjara mavitrika tamin’izany ny vadin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa sy ireo vehivavy tompon’andraikitra sy mpiara-miasa avy amin’ny Fianakaviamben’ny MESUPRES. Nisy ihany koa ireo Oniversite sy Ivotoeram-pikarohana nankalaza izany tany amin’ny Faritra.
« Ny Vehivavy Malagasy: Hery iray ho an’ny Fanavaozana ny Firenena » no lohahevitra nanamarihana ny fankalazana tamin’ity taona 2026 ity.