SE 2025
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomanana ny Salon de l’étudiant 2025 ny ekipan’ny CIDST amin’izao fotoana izao. Nisy arak’izany ny fivoriana nampitain-davitra izay niarahana tamin’ireo mpiara-miasa any amin’ny antenne CIDST isam-paritra: Mahajanga-Fianarantsoa-Toamasina, niresahana sy nifanomezana toromarika mahakasika ny fanantanterahana ity hetsika ity.
Tao aorian’ny fivoriana dia nisy avy hatrany ny fidinana ifotony teny amin’ny toerana hanaovana izany, nanao fandrefesana ny toerana sy nijery ny fandaminana mbola tokony ho atao.
Ankasitrahana ny ekipa rehetra na ny eto Antananarivo na ny any amin’ny faritra miara-mientana amin’ny fanomanana sy fanatontosana ny “Salon de l’étudiant andiany faha-3, 2025”.