CIDST (Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique)

Nitafa mivantana tamin’ireo mpiasa rehetra tao amin’ny ivon-toeram-pikarohana momba ny Fampahalalana sy Firaiketana Torohay Siantifika sy Teknika (CIDST) ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 5 novambra 2025.
Tsy vaovao aminy hoy izy ny olana iraisan’ny mpiasan’ny foibem-pikarohana rehetra ary ho ezahana ny hitondrana vahaolana haingana amin’izany.