
Tao anatin'izany ihany koa ny nandraisana ny biraon'ny "Association des Chercheurs Enseignants" (ACE), izay tonga nanatanteraka fitsidihana teto amin'ny CIDST.
Nanazava ny andraikitra sahanin'ny ACE sy ny anto-mpisian'ny fikambanana ny birao vaovao, ary nandray ny hevitr'ireo mpikambana mba entina hanatsarana ny fifandraisan'ny samy Mpikaroka ary hanomezana lanja ny fikarohana sy ny voka-pikarohana.
✅ Taorian'ny fitsidihan'ny ACE, dia niroso tamin'ny fanaovam-beloma an'i Pr RAMIARISON Claudine ny fikambanana, izy izay Mpikaroka Mpampianatra nahavita be teto anivon'ny CIDST, ary andeha hisotro ronono.
Nofaranana tamin'ny fiarahana miala hetaheta ny fotoana


