Fanentanana sy fanomezana torolalana arak'asa ho an'ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Raherivelo Ramamonjy Fianarantsoa.
Ny CIDST sy ny Lisea Raherivelo Ramamonjy dia nikarakara fanentanana sy torolalana arak'asa ho an’ireo mpianatra ao amin'ny kilasy famaranana ao amin’ny lisea Raherivelo Ramamonjy Anjoma Fianarantsoa, ny 22 martsa 2024.
Tanjona tamin'izany ny hanampiana ireo mpianatra hisafidy ny fianarana sy fiofanana harahina aorian’ny bakalorea, hampahafantarana azy ireo ireo sampam-piofanana samihafa misy ao amin’ny oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa sy ny asa mifanaraka amin'izany.
Natomboka tamin'ny tari-dalana ho an'ny mpianatra mahakasika ny fahalalana ny tena, ny fetrany, ny asa aman-draharahany ary ny fanofanana samihafa mifanaraka amin'ny vinavinan'ny asa ny hetsika.
Famelabelarana arahina fanontaniana sy valiny no namaranana ny fotoana.