Mitohy tsy miato ny asa fikarohana , ambohi-pihaonan’ny mpikaroka Malagasy sy ny voka-pikarohany ary ireo mpandraharaha hampiasa izany , tetsy amin’ny foiben’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza ny Zoma 29 Septambra 2023.
Tsy mitsahatra ny mikaroka ny mpikaroka Malagasy . Misy ny vokatra azo efa voakajy fa hitondra fiantraikany amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ho an'ny firenentsika . 15 amin’ireo voka-pikarohana nivoaka avy amin’ireo foibe na ivon-toeram-pikarohana iahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa no natolotra ny mpandraharaha nandritra ity fihaonana ity.
Fihaonana natao ho fanamarihana ny « andron’ny fikarohana sy ny haivao » ity natrehina ity ,ka nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny « politikam-pirenena momba ny fikarohana sy ny haivao » (PNRI) . Raha tsiahivina, ny PNRI dia antontan-kevitra sy drafitrasa amin’ny fandrindrana ny fikarohana sy ny fanavaozana eto Madagasikara. Vokatry ny asa 07 volana (Jolay 2022-Janoary 2023), fifampidinihana, fifanakalozam-pikarohana tamin’ny alalan’ny atrikasa natao tamin’ny faritra samihafa teto Madagasikara . Tanjon’ity PNRI ankehitriny ny hananana ny Fikarohana avo lenta mamaly ny filan’ny fiaraha-monina mba ho fampandrosoana an’i Madagasikara sy hampifanarahana ny filàna ara-piofanana ho an’ny « Ecoles Doctorales » mifandraika amin’ny ivon-toeram-pikarohana.
Tonga nanome voninahitra sy nanokatra ny lanonana, nisolontena ny Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice, Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Pr RAJAONARISON Jean François, Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony.