Tontosa soamantsara ny fampiofanana mahakasika ny "Ressources Documentaires Numériques (RDN)" izay nokarakarain'ny CIDST niarahana tamin'ny "Institut Supérieur des Technologies Régional Alaotra Mangoro (ISTRALMA)", androany 24 septambra 2024, tao amin'ny Tranoben'ny Kolontsaina sy ny Serasera, tao Masinjara Ambatondrazaka.

Mpianatra miisa 397 avy amin'ny sampam-piofanana Droit, Économie, Gestion ( niveau Licence sy Master) tao amin'ny ISTRALMA no nanatrika ny fiofanana.

Ny lanonam-panokafana dia notarihin-dRamatoa Talen'ny CIDST, Dr NALY Cindy Vermeille, nontronin'ireo ekipany, ary tonga nanome voninahitra izany fotoana izany ny Talen'ny ISTRALMA, Dr ANDRIAMPARANOKASAINA Tahirisoa.