SE Fianarantsoa
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 11 Septambra 2025 ny SALON DE L’ETUDIANT Fianarantsoa, izay karakarain’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) sy ny “Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique” (CIDST), atao manoloana ny Tranompokonolona Tsianolondroa androany 11 sy rahapitso 12 Septambra 2025.
Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filohan’ny Oniversite’ny Fianarantsoa, Pr HAJALALAINA Aimé Richard niaraka tamin’ny Talen’ny CIDST Dr NALY Cindy Vermeille, nontronin’ireo solontena avy ao amin’ny “Administration générale” sy ny “Commune Urbaine” Fianarantsoa
Nahatratra 32 ireo mpandray anjara, ary tranoeva miisa 35 no manao fampirantiana eny antoerana, ahitana sampampianarana maro miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanomezana torolalana ara-piofanana sy arak’asa ho an’ireo tanora eto Fianarantsoa.