Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 06 Septambra 2025 ny SALON DE L’ETUDIANT ET DE L’EMPLOI TOAMASINA 2025 izay karakarain’ny “Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique” (CIDST) sy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) izay atao eo amin’ny PARVIS DE L’ HÔTEL DE VILLE TOAMASINA androany 06 sy rahapitso 07 Septambra 2025.
Nanomboka tamin’ny 08 ora maraina ny lanonam-panokafana izay notronin’ny avy ao amin’ny Mairie TOAMASINA, ny Talen’ny CIDST Dr NALY Cindy Vermeille, ary ny Filohan’ny Oniversiten’ny Toamasina Pr Diny RAZANAKOLONA.
Tranoeva miisa 50 no mandray anjara ary ahitana sampampianarana maro miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ary ahitana orin’asa maro ihany koa.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanomezana torolalana ara-piofanana sy arak’asa ho an’ireo tanora eto Toamasina.