SOP

Nidina ifotony tany amin’ny Lisea Ampitatafika ny ekipan’ny CIDST nanome ny torolalana ara-piofanana sy arak’asa ho an’ireo mpianatra tao amin’ny kilasy famaranana (Terminale) « série L, S ary OSE » ny alarobia 11 martsa 2026.
Tanjona tamin’izany ny hanampiana ireo mpianatra any amin’ny lisea amin’ny fisafidianana ny fianarana sy ny lalam-piofanana harahina aorian’ny bakalorea, nampahafantarina azy ireo ny sampam-piofanana samihafa misy eny anivon’ireo Oniversitem-panjakana sy ireo Sekoly lehibe manofana ho mpiasam-panjakana ambony.
Andriamatoa Proviseur ny Lisea Ampitatafika Fano RAKOTOMANDIMBY no nanokatra ny fotoana , avy eo dia natomboka tamin’ny tari-dalana ho an’ny mpianatra mahakasika ny fahalalana ny tena ary ny fanofanana samihafa mifanaraka amin’ny vinavinan’asa izany , narahina fampahafantarana sy famelabelarana mahakasika ireo karazana lalam-piofanana misy eny anivon’ireo Oniversitem-panjakana sy ny « Institut Supérieur de Technologie (IST), ary fampahafantarana ireo karazana lalam-piofanana eny amin’ireo Sekoly lehibe manofana ho mpiasam-panjakana ambony toy ny ENAM, EGNA, ENIAP, ACMIL, ENMG, SEMIPI, INFA…
Nofaranana tamin’ny fametrahana fanontaniana sy famaliana ny hetahetan’ireo mpianatra ny fotoana.
Miisa 258 ireo mpianatra nisitraka izany torolalana izany tao amin’ny Lisea Ampitatafika.